Toekarena

Fanakatonana ny TIKO AAA Andraikitry ny fanjakana ny mamaha ny olana misy


  • Alarobia 11 Oktobra 2017

Tompon’andraikitra voalohany amin’ny famoronan’asa sy ny fiantsoana ireo mpandraharaha avy any ivelany na avy ato anatiny mba hampiasa ny volany eto amintsika ny fanjakana Malagasy,

hoy i Faneva Raholdina mpandalina ara-toekarena Malagasy. Anisan’ny mamaha olana ara-tsosialy misy eto amintsika amin’ny tsy fananana asa izany ka marin-toerana ny firenena rehefa milamina ireo orinasa ireo. Raha misy olana eo amin’ny orinasa dia anjaran’ny fanjakana no manampy azy ireo hamaha ny olana mianjady aminy. Ohatra amin’izany ny mahazo ny orinasa Tiko AAA izay noheverina fa manana olana ara-ketra sy ara-panajana ny tontolo iainana. Raha ny tokony ho izy, anjaran’ny fanjakana ny manampy ity orinasa ity hamaha ny olana, toy ny fanamorana ny fandoavan-ketra. Niantso ny orinasa afaka haba isika, hoy i Faneva Raholdina, mba hamorona asa eto amintsika ka ny eto an-toerana indray ve no hakatona ? Raha marary an-doha ve ny olona iray dia hotapahina ny lohany hanafahana io aretina mahazo azy io sa homena fanafody fanasitranana izy ?

Ny tontolo iainana indray dia hitantsika fa na ingahy Donald Trump filohan’ny firenena Amerikanina matanjaka indrindra eran-tany aza mandà ny fifanarahana tany Paris mikasika ny tontolo iainana satria noheveriny fa manakana ny famoronana asa ao aminy ny fanakatonana orinasa lehibe heverina fa manimba ny tontolo iainana ka ataony miandalana tsikelikely ny fanatanterahana ny fifanarahana  dia isika firenena anisan’ny farany mahantra indrindra erantany indray ve no dodona hampihatra an’izany eto amintsika  ? Lojika sy tombony ho an’ny fanajana Malagasy amiko, hoy ihany i Faneva Raholdina, ny fandrosoan’ny orinasa Tiko AAA sy ny orinasa Malagasy rehetra satria tahaka ny manampy azy amin’ny fanatanterahana ny praograman’asany ihany  dia ny ady amin’ny fahantrana.  Mino aho fa hamaha an’io olana io ampamendrehana ny fanjakana raha tsy sanatria misy ambadika politika indray.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT