Toekarena

Fanakatonana ny AAA-Tiko Nihetsika ny mpiompy ao Betafo


  • Talata 27 Martsa 2018

Miitatra ny fitarainan’ny tantsaha sy ny mpiompy manoloana ny fikatonan’ny AAA-Tiko.

 

 Nanao hetsika fanairana ny mpitondra fanjakana ny mpiompy ao Betafo ny antoandron’ny omaly alatsinainy 26 martsa 2018, nanoloana ny toby fanangonana ronono tao Betafo ka nanao antso avo amin’ny mpitondra, miainga amin’ny prefen’Antsirabe sy ny lehiben’ny faritra ary ireo tompon’andraiki-panjakana any an-tampony amin’ny tokony hijerena akaiky ity olana ity. Nambaran’ireo tantsaha sy mpiompy fa manomboka sahady ny fanararaotan’ireo mpanangona ronono amin’izy ireo vantany vao nahare ny fiatoana amin’ny asany ireo mpiasan’ny AAA-Tiko. Raha mba efa niakatra mantsy ny nivarotan’ny tantsaha ny ronono dia nitotongana avy hatrany izany amin’izao fotoana sady izay tian’ireo mpanangona raisina ihany no raisin’izy ireo fa tsy izay vokatra entin’ny tantsaha. Nambaran-dRadezy Tsita, anisan’ireo efa tranainy tamin’ny asa fanangonana ronono tao Betafo fa nahatratra hatrany amin’ny 35.000 litatra isan’andro ny ronono vokatra nivoaka tao Betafo tamin’ny fiaraha-niasa tamin’ny Tiko, ka rava taorian’ny nandravan’ny TGV ny orinasa Tiko, ary amin’izao fotoana dia mety ho ny ampahefatr’io vokatra io sisa no misy any an-toerana satria efa lasan’ny dahalo sy namidin’ny olona ny omby be ronono. Rehefa mba niverina moa ny AAA-Tiko dia velom-panantenana ireo tantsaha satria ny fiaraha-miasa tamin’ny Tiko dia teo ny fikarakarana sy ny fanatsarana ny taranak’omby ary ny famatsiana sakafo, ka nahatsara ny vokatra izany ary nahatsara ihany koa ny fiveloman’ny mpiompy sy ny mponina tao Betafo izany. Anisan’ny nitaraina tamin’ny mpanao gazety ihany koa moa ireo efa nampiasa vola naninjara ny vokatra AAA-Tiko tao Antsirabe, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT