Toekarena

Fanakatonana ny AAA TIKO Nanao diabe fanoherana ireo mpiasa


  • Talata 10 Oktobra 2017

Nanao hetsika fanairana manoloana ny fikasan’ny fanjakana hanakatona indray ny orinasa AAA Tiko ao Andranomanelatra ny mpiasa tao omaly maraina.

 

 Diabe nilanja sorabaventy niainga teo anoloan’ny orinasa ka nihazo ny lapan’ny tanàna no nataon’ireo mpiasa marobe sy mponina voakasiky ny fifandraisana amin’ity orinasa ity. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo mpiasa dia ho fanairana ny fanjakana amin’ny fijerena ny hoavin’ireo fianakaviana efa an’arivony mba mivelona ao amin’ity orinasan’ny filoha teo aloha ity ny antony. Nambaran’izy ireo fa tao anatin’ny fito taona dia tsy nisy vahaolana nentin’ny fanjakana teo amin’ny lafiny famoronana asa ka amin’izao fotoana efa mba mihodina amin’ny ampahany dia hopotehina indray. Tsy ireo mpiasa ihany no lasibatra fa ireo mpiompy efa manomboka mamatsy vokatra ihany koa. Tsy hanao fampitahana fa misy ny tsy fanajana zon’olombelona any amin’ny orinasa « Zone Franche » sasany, ao Vakinankaratra kanefa noho izy ireo akaiky ny fitondrana dia manao ny danin’ny kibony ireo teratany vahiny fa ny orinasa Malagasy hatrany no potehin’ny fitondrana. Raha tsiahivina, efa nandeha ny resaka amin’ny hanakatonana indray ity orinasan’Andriamatoa Ravalomanana ity ka na tsy mbola tonga amin’izany aza dia efa naneho ny alahelony ireo mpiasa, izay mihevitra fa tsy olana ara-teknika sy ny trosa mety tsy voaloan’ny orinasa no fototry ny olana fa olana politika.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT