Toekarena

Fanakatonana an’Andranomanelatra Hitory ny fanjakana ny Tiko AAA


  • Sabotsy 14 Oktobra 2017

Nafampana ny toe-draharaha tany amin’ny Tiko Andranomanelatra omaly. Tonga vao maraina nitaky ny fanokafana ny orinasa Tiko AAA ireo mpiasa sy ny tantsaha mivelona amin’ny alalan’ity orinasa ity.

Tonga tany an-toerana ihany koa ireo olom-boafidy Tiako i Madagasikara toy ny solombavambahoaka isany Hanitra Razafimanantsoa, Félix Randriamandimbisoa, Rastany, ny loholona Olga Ramalason sy ny mpiara-miasa akaiky amin’i Marc Ravalomanana. Nambaran’ny tompon’andraikitry ny Tiko AAA fa tsy ara-dalàna ilay fanakatonana natao ny alin’ny alakamisy teo. Voalohany aloha dia fampiatoana asa (suspension d’activité) no fanapahan-kevitry ny governemanta fa tsy fanakatonana orinasa (fermeture définitive). Faharoa manaraka an’izay  dia misy tranon’olon-tsotra ao anatin’ilay faritry ny ozinina ka nahoana no tonga dia nidina fotsiny ? Fahatelo, mbola tavela ao anatin’ny orinasa ny ronono sy zavatra hafa mora simba ary mila fikarakarana, tahaka izany koa ireo omby vavy be ronono izay mila omena sakafo isan’andro. Mbola kitoatoa ihany koa ny nanidina ilay vavahady sy ny varavaran’ny orinasa satria ny vadintany no tokony hanao izany fa tsy prefe tahaka ny nitranga tao Andranomanelatra ny alakamisy teo. Nanapa-kevitra ny orinasa Tiko AAA fa hitory ireo tompon’andraiki-panjakana nanao ny tsy nety sy nandika lalàna tamin’ity raharaha ity. Milaza ihany koa izy ireo fa efa an-dalam-pikarakarana ilay « permis environnemental » fa tsy hoe tsy misy izany. Mametraka ny raharaha eo am-pelatanan’ny fitsarana ary mitaky ny hanokafana faran’izay haingana ny orinasa ny mpitantana ny Tiko AAA satria tena miteraka fahavoazana sy fatiantoka lehibe ho an’ny orinasa Malagasy sy ireo Malagasy an’arivony mivelona aminy izao fanapahan-kevitra hafahafa izao. Manara-dalàna izahay ary miezaka manaja ny fepetra rehetra tsy maintsy arahana, hoy ny ao amin’ny Tiko AAA koa aleo mba tena hampiharina araka ny rariny sy ny hitsiny ny lalàna fa tsy sanatria atao fitaovana  politika hamotehana ny hafa fotsiny.

Tezitra ny vahoaka

Tezitra ny vahoaka ao Andranomanelatra Antsirabe II sy ny mpiasa ao amin’ny orinasa AAA Tiko noho ny fanakatonan’ny fanjakana ity orinasa ity. Noho izay antony izay dia tapaka nandritra ny ora roa teo ny RN7 teo Andranomanelatra noho ny fitokonana nataon’ireo mponina ao an-toerana. Antsoantson’ireo vahoaka tamin’izany ny tsy fanekena iny didy navoakan’ny fanjakana iny. Tarainan’izy ireo, efa 8 taona izy ireo no tsy an’asa, nefa vao manomboka miarin-doha indray ny orinasa Tiko AAA dia izao anaovan’ny fanjakana antsojay izao indray.

RTT


Omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora dia tonga teny amin’ny foiben’ny orinasa Tiko TOP mpanao menaka ao Mahafaly Vatofotsy indray ny iraka avy amin’ny Jirama ary saika hanapaka ny rano. Nanohitra mafy izany anefa ireo mpiasan’ny Tiko TOP ka tsy tanteraka. Nilaza ny iraky ny Jirama fa baiko avy amin’ny prefe no tanterahan’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT