Saika miova isan’andro ny sandan’ny vola Malagasy mitaha amin’ireo vola vahiny. Omaly dia 3755,10 ariary ny takalon’ny euro iray raha ny fanadihadiana natao teny amina banky iray etsy Analakely. 4150,36 ariary kosa raha vola ariary no atakalo euro.
3081,57 ariary kosa no takalon’ny dolara amerikanina raha 3405,95 ariary no vidin’ny dolara amerikanina. 2476,75 ariary no takalon’ny dolara kanadianina raha 2737,46 ariary no vidiny. Ny livre sterling , izay vola britanika, moa no avo sanda indrindra satria dia 4243,94 ariary no takalony raha 4690, 68 ariary no vidiny. Voaisa amin’ny rantsan-tanana satria dia am-polony eo raha misy dia misy ireo tonga manakalo vola malagasy amina vola vahiny isan’andro raha ho an’ity banky ity manokana. Misy moa ireo mpanjifa sasany, raha ny fanadihadiana natao hatrany, no matahotra miditra amin’ireny banky ireny, raha ny fanazavan’ny mpanera iray ka antony hanirahan’izy ireny ireo mpanera hanakalo ny volany eny amin’ireo banky. Maka tombony eo amin’ny 25% amin’ny sandany tena izy eo ireo mpanera raha ny tombana natao ary tsy misy latsaky ny 4000 ariary no alain’izy ireo amin’ireo mpanjifany. Raha manodidina ny 500 euros (2 000 000 ariary), ohatra, ny sandan’ny vola natakalo dia mahazo farafahakeliny 100 000 ariary ny mpanera. Tena mahaazo tombony izy ireo satria mety hahazo “client” 2 isan’andro farafahakeliny ny mpanera iray ao anatin’ny iray andro ary mety mbola ambonin’io 500 euros io aza no vola tadiavin’ny olona.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.