Toekarena

Fanafihana SHOP Airtel misesisesy Misy ny fepetra noraisina


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Nihanahazo vahana tato ho ato ny fanafihana Shop airtel. Vao tsy ela akory izay no nisy fanafihana goavana teny amin’ny Cité des assureurs Itaosy taorian’ny teny Ankadindramamy izay samy nahaverezana volabe avokoa.

 

 

 

 

 

 Nitondra fanazavana mahakasika izany ny orinasam-pifandraisana Airtel omaly ka nambarany fa ireo mpiara-miombon’antoka aminy no tena lasibatra amin’ireny tranga ireny ary voatohintohina ihany koa izy ireo. Tsy maintsy misy, araka izany, ny fepetra raisiny toy ny fanentanana ireo olona miasa eny anivon’ny cash point mba tsy hitazona vola any aminy intsony. Raha vao betsabetsaka dia mila aterina any amin’ny banky haingana ary tsy maka volabe hiandrasana  mpanjifa intsony na ilay antsoina hoe : retrait fa jerena aloha ny fotoana mahabetsaka ny olona. Manao antso avo amin’ireo cash point ihany koa ny Airtel mba tsy hivoha maraina be loatra na hihidy hariva ihany koa fa tsy maintsy alohan’ny amin’ny 05 ora sy sasany na amin’ny 06 ora hariva hisorohana ny fanafihana mety hitranga tampoka. Folo latsaka hatreto ireo  shop Airtel nisy nanafika tato anatin’ny telo volana teto an-drenivohitra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT