Mitohy foana ny fanafarana vary avy any ivelany hamenoana ny tsy ampy amin’ny vokatra anatiny satria tsy ampy ny famokarana eto an-toerana vokatry haintany sy loza voajanahary, raha ny fanazavan’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana.
Mba jerena kosa ny hahatongavan’ny vary ara-potoana sy mandritry ny taona ary amin’ny vidiny mirary sy tsy dia miovaova tonga eny amin’ny mpanjifa, raha ny nambaran’ny minisitra Tazafy Armand. Misy ny fiantsoana ireo mpandraharaha izay vonona hamatsy vary amin’ny vidiny mirary ary haparitaka manerana ny faritra sy ny distrika, ka vary eo amin’ny 200 000 taonina avy any Inde eo no hafarana ho an’ity taona 2017 ity ary hiitatra amin’ny 2018. Manodidina ny 390 dolara ny taonina tonga ao Toamasina, ka vonona ireo mpandraharaha ary nifanaraka tamin’ny fanjakana, izay nosoloin’ny minisiteran’ny varotra tena. Be dia be io vary io ka tsy miara-tonga fa arakaraka ny kaomandin’ny mpandraharaha. Tanjona ihany koa ny fanampiana an’ireo mpandraharaha ary misy ny fifanarahana mivantana amin’izy ireo miainga amin’ny mpanafatra, mpaninjara ary ny mpivarotra madinika satria izay no antoka iray hahatonga ny vidim-bary tsy hiakatra satria mihena ny fanelanelanana. Mpanamora ihany ny fanjakana fa ny fifanarahana ara-barotra dia anjaran’ny mpandraharaha no mifandamina toy ny amin’ny fanapariahana ny vary. Mikasika ny mety ho fanitrihana ny vary kosa dia manana trano fitehirizan’entana ary tsy maintsy mahazo alalana avy amin’ny minisiteran’ny varotra ny mpandraharaha mahazo ny tsena amin’io vary io ary ho hentitra ny fanaraha-maso.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.