Toekarena

Fanafarana sakafo Mandany 600 tapitrisa dolara isan-taona i Madagasikara


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Tokony efa hihoatra ny dingana arahana mikasika ny fametrahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara izay resahan’ny fitondrana ankehitriny efa ho isan’andro, hoy ny mpanao politika,

Zaza Ramandimbiarison. Hita ho resaka fotsiny izany amin’izao fotoana izao, hoy izy. Mahatratra hatramin’ny 600 tapitrisa dolara isan-taona ny vola lanin’I Madagasikara amin’ny fanafarana sakafo. Mihoam-pampana ny fanafarana ataontsika ary mety hanahirana izany ho an’ireo taona ho avy. Miantehitra amin’ny fanafarana I Madagasikara ary tsy mbola mahavokatra ny filan’ny Malagasy isan’andro. Ny 80%n’ireo mponina mihary eto anefa dia tantsaha ary I Madagasikara dia manana velaran-tany mirefy hatrany amin’ny 8 tapitrisa hektara hamokarana. Mitaky famokarana mifanaraka amin’ny teknolojia ankehitriny ny fanavaozana ny toekarena malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT