Nisy ny atrikasa fanofanana ho an’ny famolavolana rafitra fanaraha-maso ny sakafo hafarana avy any ivelany izay nanomboka omaly 10 febroary ary ho tapitra ny 13 febroary ho avy izao.
Atrikasa tohanan’ny « Fonds fiduciaire du Codex Alimentarius » ary ahafahana mijery ny rafitra sy ny asa fanaraha-mason’ny sakafo hafarana avy any ivelany eto Madagasikara. Tanjona ihany koa ny hiampitana mankany amin’ny rafitra fanaraha-maso matotra kokoa momba izany sakafo hafarana izany. Ny fanaraha-mason’ny fanafarana ny sakafo avy any ivelany dia mitaky fanamafisana fahaiza-manao eo anivon’ny mpikambana ao amin’ny komity nasionalin’ny Codex Alimentarius eto Madagasikara. Noho ny fiankinan-dohan’i Madagasikara momba ny fanafarana sakafo dia mitana anjara andraikitra lehibe ny fiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa sy ny mponina. Natao ihany koa ity atrikasa ity hanamorana ny varotra manodidina ny sakafo hafarana eto Madagasikara sy hanome antoka ny mpanjifa amin’ny fahazoany sakafo madio sy ara-pahasalamana maharitra. Nanambara ny teo anivon’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (FAO) fa ny sakafo ara-pahasalamana no hitarafana ny fandrosoan’ny firenena ary ny sakafo jifaina amina firenena iray dia azo hitsarana sahady ny tanjany ara-toekarena. Maro be ny olana mety ho azo avy amin'ny sakafo tsy ara-pahasalamana tahaka ny aretina izay tsy ahafahana miasa sy mamokatra. Ankoatr’izay dia nilaza ny teo anivon’ny minisiteran’ny varotra fa mampihen-danja ny fahazoana ny tsena, ny fizahantany ny tsy fahalavorarian’ny sakafo misy ary mampitarazoka ny fahantrana mihitsy. Raha ny eto Madagasikara dia mbola mila ezaka be satria iaraha-mahita ireny sakafo maro amoron-dalana izay tsy misarona sy tsy ara-pahasalamana ireny. Efa nilaza ny teo anivon’ny minisitera fa efa misy fanaraha-maso mandeha mba hanarahan’ny mpivarotra, indrindra ny hanimasaka, ny fenitry ny fanodinana sy famokarana sakafo ataony mba ho tombony amin’ny vahoaka rehetra. Hatreto aloha dia tsy hita ny akony fa mainka aza mitombo isan’andro ireo mpivarotra sakafo tsy ara-pahasalamana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.