Toekarena

Fanafarana entana sy varotra anatiny Nifampidinika nitady ny marimaritra iraisana


  • Zoma 13 Novambra 2020

Herintaona katroka no nandraisan’ny ANMCC na ny « Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives et Commerciales », sampandraharaha iray eo anivon’ny Ministeran’ny varotra ny fepetra mikasika ireo entana avy any ivelany mitobaka eto amintsika ( bodofotsy, paty, ary vovon-tsavony)

 

 

 ka ahiana hamono ireo orinasa Malagasy. Anisan’ny fepetra noraisina tamin’izany ny fampiakarana ny hetra nalaina tamin’ireo mpanondrana ka nahafahana nijery ihany koa ny fahavitan’ireo orinasa Malagasy mamatsy ny tsena anatiny na tsia. Notanterahina an-databatra boriboriny tetsy Antaninarenina izany omaly izay natao tamim-pirahalahiana tanteraka toy ny omby ririnina ka tsy hamono ny zanany no sady tsy hahafaty ny Reniny. Na izany aza anefa hoy ny Minisitry ny varotra sy ny indostria Rtoa Rakotomalala Lantosoa dia mbola miankina amin’ny any ivelany tanteraka ny toe-karentsika amin’ny fanafarana ireo entana avy any ivelany. Tsy mbola azontsika hatao araka izany hoy izy ny miala, tanjona izay mbola lavitr’ezaka na dia tena mahafinaritra aza fa tsy maintsy mbola manafatra aloha isika. Ho an’ny vovon-tsavony rahateo raha araka ny fanazavan’Atoa Barthelemy, tale jeneralin’ny ANMCC dia mbola tsy maintsy manafatra akora avy any ivelany isika izay vao averina haodina miaraka amin’ny akora hafa izany rehefa tonga eto amintsika. Fanirian’ny Minisitry ny Varotra sy ny indostria araka izany ny tokony hametrahana ilay fifaninana madio na eto amin’ny firenena izany na any ivelany. Miantso ireo fikambanan’ny mpanjifa mba samy hivondrona haneho ny heviny ihany koa Rtoa Ministra hahafahana miaro ny tombontsoan’ny tsirairay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT