Toekarena

Fanafaram-bary Anjakan’ny fifaninanana tsy madio


  • Zoma 14 Jolay 2017

Zava-misy ny tsy fisian’ny fifaninanana madio eo amin’ny fandraharahana ara-bary satria sokajin’olom-bitsy ihany no mahazo tombony amin’ny fahafantarana ny lalam-barotra, hoy ny minisitry ny varotra teo aloha Rabesahala Henri.

 

 Efa anjakan’ny tambajotran’izy ireo avokoa mantsy ny lafiny fanafarana avy any ivelany toy ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina, ny fadin-tseranana, ny fifamoivoizana an-tanety, ny fitsinjarana ambongadiny. Takian’ireo mpandraharaha mpibizina amin’ny mpanjifa ireo anefa ny vola maloto nampiasainy tamin’ny fomba mamohehatra ka mahatonga ny vidim-bary ho lafo. Ilaina fahasahiana ara-politika noho izany ny fandaminana io fanafaram-bary io, hoy ity tompon’andraiki-panjakana teo aloha ity. Fepetra iaingana amin’izany ny fanajana ny lalàna tsy fidiran’ny fanjakana amin’ny sehatra miaraka amin’ny fanokafana ny fandraharahana ho an’ny rehetra eo amin’ny lafiny fanafarana sy ny fanangonana. Vahaolana fototra ny fanadiovana ny tsena anjakan’ny kitranoantrano sy ny kolikoly miaraka amin’ny fanaraha-maso ireo sakantsakana isan-karazany momba ny fanafarana vary avy any ivelany, araka ny fanazavany.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT