Fanadiovana ny tanànan’Antananarivo

Hitondra tohana 25 miliara Ar anatin’ny 4taona ny Japone


  • Talata 05 Martsa 2024

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly 04 martsa 2024 tetsy Ampasampito

ny fitaovana avy amin’ny Governemanta Japone hoenti-manadio ny tanànan’Antananarivo. Ireto avy ireo fitaovana ireo : 32 camions multi-bennes, 6 camions, 2 camions bennes, 1 bulldozer, 2 excavateurs, 189 bacs à ordures, 2 picks up, 8 motos. Tafiditra anatin’ny tetikasa GESDA (Gestion des Déchets Solides pour la Ville propre à Antananarivo). Vatsian’ny Japone vola 25 miliara Ar ao anatin’ny 4 taona ny tetikasa, ka amin’ny desambra 2026 no hifarana. Hatomboka amin’ny aprily ny fametrahana tetikasa andrana na « projet pilote » amin’ny fanangonana ny fako, maodely hapetraka eto Antananarivo, ka hatomboka eny amin’ny Fokontany Ampefiloha. Isan’ny fitaratra amin’ny fahadiovana sy firindran’ny tanàna ny Japonais, ary efa tena ampy fanabeazana ny amin’izany ny mponina any aminy, ka mendrika halaina tahaka. Ny 80%n'ny fako ao amin'ny tanàna Kamikatsu ohatra, dia tsy verivery fa averina aodina avokoa. Efa am-polo-taona maro izay no nametraka paik'ady hiadiana amin'ny fandotoana tanàna ny lehibe any an-toerana. Ny mponina rehetra manatitra fako, azo aodina, any amin'ny tompon'andraikitra dia mahazo solom-bola afaka ampiasaina hiantsenana ao an-tanàna ihany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT