Omaly alarobia 8 aogositra no nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny teti-pivoarana ny fisian’ny fanadihadiana nasionaly voalohany atao amin’ny renim-pianakaviana anatin’ny tokantrano miisa 21 000 eto Madagasikara.
Ho fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny drafitra nasionaly ho amin’ny fampandrosoana no antony hanaovana ity fanadihadiana ity. Ny banky iraisam-pirenena sy ny tahirim-bolan’ny firenena mikambana ho an’ny zaza (UNICEF) ary ny masoivoho amerikanina ho amin’ny fampandrosoana (USAID) no mamatsy ny vola ary miara-miasa amin’ny minisitera sy ny INSTAT. Tsy afa-misaraka ny fampiroboroboana ara-toekarena sy ny fampandrosoana miainga amin’ny tokantrano tsirairay. Amin’ny ankapobeny anefa dia ny renim-pianakaviana no mahafantatra ny pitsopitsony sy ny antsipirihany ao na amin’ny sehatra fahasalamana na fanabeazana na ny fandaniana atao isan’andro. Izany no antony anaovana ny fanadihadiana miainga amin’ny reny satria hofantarina koa ireo mitondra vohoka sy miteraka aloha loatra. Hojerena ihany koa ny lanjan’ireo zaza latsaky ny 5 taona, ny isan’ny ankizy tsy mandeha an-tsekoly ao an-tokantrano ary ny kalitaon’ny rano fisotro misy ao. Rehefa azo ny tarehimarika sy ny tahirin-kevitra rehetra ataon’ny mpanao fanadihadiana miisa 180 dia hisy ny politika hatsangana hampiakarana ny tarehimarika miiba sy ambany rehetra. Iaraha-mahalala hatrany anefa fa ho matroka ny tarehimarika ho azo eo saingy fanadihadiana atao hahazoana famatsiam-bola no hotanterahina ka tsy maintsy alefa foana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.