Toekarena

Fampivoarana ny toekarena Mila manam-pahaizana manam-pahendrena


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Mankalaza ny faha-10 taona naha Oniversite azy ny sekoly ambony UCM (Université Catholique de Madagascar) ankehitriny.

Efa nisy foana ity sekoly ity hatramin’ny taona 1997 saingy ny taona 2010 izy no lasa Oniversite satria misy fakiolte 3 izay fepetra ahafahana manangana izany. Ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara no nanome fankatoavana tamin’ny taona 2016. Amin’ity taom-pankalazana ity dia tanjona ny hampahafantarana amin’ny Malagasy manontolo ny ezaka nataon’ny UCM tamin’ny sehatra fampianarana sy fanabeazana. Tsiahivina fa hisy ihany koa ilay boky « Pacte éducatif » izay iresahana ny fampianaran-janaka, ny maha zava-dehibe ny fananana olona manam-pahaizana eto amin’ny firenena. Ny volana May ho avy izao dia hamory ny firenena manerana izao tontolo izao ny Papa ny amin’ny hanatanterahana io boky io.

Be ny manam-pahaizana nefa mahantra ny firenena

Nanambara ny Rektoran’ny UCM, Mopera Ravelonantoandro Marc fa ny Oniversite rehetra dia tokony ho toerana ampitàna fahalalana sy ny soatoavina maha-olom-banona ny olombelona. Ankoatran’ny manam-pahaizana efa navoakan’ny UCM dia maro be ireo efa nivoaka tamin’ny Sekoly Katolika sy ny hafa. Hatreto anefa dia mahantra ary tsy mety tafavoaka ny firenena noho ny fifanenjehana sy ny tsy fahaiza-manetry tena. Ireo olona eo amin’ny fitondrana sy ireo mijoro ho mpanohitra dia saika nandalo sekoly Katolika avokoa ny ankamaroany nefa izao mbola ataon’ny vahiny fihomehezana hatrany ny Malagasy. Manomboka izao dia tsara ny mamoaka olom-banona fa tsy manam-pahaizana fotsiny ary tsy tokony hosarahana ireo hoy Mopera. Hampivoatra  sy hampandroso haingana an’ i Madagasikara izany ka hatomboka amin’ny famoahana andiany eto amin’ny UCM amin’ny 22 mey ho avy izao . Olana tokony hovahana izay mamono ny sehatra fanabeazana eto amin’ny firenena ihany koa ny tsy fisian’ny firaisan-tsaina sy firaisan-kina nateraky ny fanjanahan-tany. Ankoatr’izay dia tsy nanome fahafahana mihitsy ny fomban’ny frantsay izay nitondrana ny fanabeazana teto Madagasikara satria modely fotsiny no nentina. Tsy tahaka ny firenena miteny anlisy izay manome malalaka ny famoronana sy ny fihavaozana (créativités et innovations).

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT