Toekarena

Fampiroboroboana ny varotra ivelany Manome lesona ny Karana


  • Talata 17 Aprily 2018

Taorian’ny fitsidihana ofisialy teto Madagasikara nataon’ny filoham-pirenena indiana, Ram Nath Kovind sy ny vadiny tamin’ny volana Martsa lasa teo dia misy ny fiaraha-miasa miompana amin’ny ara-toekarena amin’ny ambasadin’ny Inde izay monina sy miasa eto.

 

Nisy araka izany ny fampiofanana nentin’ireo manam-pahaizana manokana sy mpanofana matihanina momba ny fitadiavana lalam-barotra any ivelany. Haharitra efatra andro ity fampianarana etsy amin’ny Hotel le Pavé Antaninarenina  ity ary nanomboka omaly 16 Aprily ka ho tapitra ny 20 Aprily ho avy izao. Manana traikefa manokana momban’ny varotra ivelany avokoa ireto mpampiofana avy ao amin’ny Indian Institute of Foreign Trade ireto. Ankoatran’ny mpiasa ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny sy ny toekarena dia misitraka ity fiofanana ity ny teknisiana, ny mpandraharaha ary ireo mpisehatra amin’ny resaka varotra ivelany. Tanjona ny ahazoan’ireo miserasera malalaka amin’ny any ivelany ny amin’ny varotra na fandraharahana ataony. Hamoraina arak’izany ny fisokafana mba hahatsara ny lalam-barotry ny vokatra aondrana sy ho fisintonana ireo mpandraharaha vahiny hampiasa ny volany eto Madagasikara. Ilaina ny fiofanana manome vahana ny mpandraharaha Malagasy tahaka itony satria iaraha-mahalala ny olana maro be sedrainy indrindra ny amin’ny resaka varotra ivelany. Tokony homena vahana hatrany izy ireo satria ireo no ain’ny toekarena sy ny fampandrosoana eto Madagasikara.


Tsiry     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT