Amin’ny alatsinainy 20 ka hatramin’ny sabotsy 25 meyy ho avy izao dia hanatanteraka iraka any amin’ny Nosy La Réunion, Maorisy ary eto Madagasikara ireo solontenan’ny orinasa avy any Belza.
Hisy mihitsy ny fihaonana mivantana amin’ireo mpandraharaha eto Madagasikara ny 22 mey etsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina izay ny AWEX (Agence Wallone à l’Exportation et aux Investissements Etrangers) miaraka amin’ny Fivondronan’ny Orinasa eto Madagasikara (GEM) ary ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Antananarivo no tompon’antoka. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa maharitra amin’ireo orinasa avy any Belzika sy ny eto an-toerana amin’ny sehatra fandraharahana. Samy hijery ny tsena azo trandrahana ny roa tonta. Efa nisy ny fahatongavan’ireo orinasa miisa 22 avy any Belzika nankaty Madagasikara ary amin’ity fitsidihana manaraka ity dia ireo orinasa misehatra amin’ireo fitaovana ho amin’ny ivom-pamatsiana herinaratra, ny fakon’ny hopitaly, ny rano sy ny tontolo iainana sy ireo hafa no ho avy eto Madagasikara. Hanatsara ny fifandraisana ara-barotra amin’ny firenena roa tonta izany ary mbola ho fanamafisana ihany koa ny fifanaovan-tsonia natao tamin’ny volana mey 2018 izay nahazoan’i Madagasikara 8 tapitrisa Euros hanamboarana centrales hybrides photovoltaÏques/diesel.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.