Toekarena

Fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra Miainga amin’ny fanohanana ny tantsaha


  • Talata 13 Aogositra 2019

Vondron’ny tantsaha rejionaly miisa 10 no nahazo famatsiam-bola 8 hetsy dolara na 2 933 552 000 Ariary (1dolara=3666,94 Ar) avy amin’ny fandaharanasam-panjakana DEFIS. Faritra 3 dia ny faritra Amoron’i Mania,

 

 

Matsiatra Ambony ary Ihorombe  no hitsinjarana ity famatsiam-bola ity. Tanimbary mitotaly 7000 ha sy tanimboly volena katsaka 2000 ha no hisitraka famokarana matihanina vokatr’izao fanohanana izao. Tafiditra anatin’izao ihany koa ny fampitaovana ireo tantsaha hiatrehana ny taom-pambolena lehibe araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny fandraharahan’asam-panjakana DEFIS Randrianaritiana Pierrot Serge. Tantsaha maherin’ny 5000 ao amin’ireo faritra 3 ireo no hiroso amin’ny famokarana matihanina sy mitodika amin’ny tsena anatiny vokatry ny famatsiam-bola. Hisy ihany koa ny fampiofanana ireo tantsaha ireo mba ho lasa mpandraharaha misehatra amin’ny famokarana. Amin’ity fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ireo vondron’ny tantsaha sy ny fandaharan’asa DEFIS ity dia hisy ny fanaraha-maso isam-bolana amin’ny fanatanterahana ny asa. Tanjona ny hampiakarana ny taham-bokatra sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT