Nikatona tamin’ny fomba ofisialy omaly alakamisy 4 jolay tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ilay tetikasa PROCOM izay vatsian’ny vondrona Eoropeanina vola.
80 ireo tetikasa nahazo famatsiam-bola nanerana ny faritr’i Madagasikara. Ankoatra izay dia nahatratra 100 ny fampiofanana natao tamin’ireo orinasa madinika sy salantsalany miisa 3.300. Tanjona ny hampandrosoana ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara ka nanomezan’ny Vondrona Eoropeanina famatsiam-bola hatrany amin’ny 8 tapitrisa Euro. Sehatra maro no nisitraka ny famatsiam-bola toy ny asa tanana, ny lamba, ny fanodinana sakafo, ny varotra, ny angovo ary ny teknolojia vaovao sy ny fizahantany. Tanjona ihany koa ny hijerena lalam-barotra ka izany no niarahana niasa tamin’ireo Tranoben’ny Varotra sy Indostria manerana ny Nosy. Nanambara ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina, Giovanni Di Girolamo fa ilaina hatrany ny fanatsarana ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana eto Madagasikara mba hiteraka fampandrosoana maharitra. Eo amin’ny sehatra tsy miankina dia tena zava-dehibe ny fampiofanana arak’asa hanatsarana ny kalitao sy ny traikefa amin’ny fiatrehana ny teknolojia avo lenta, hoy ny tenany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.