Toekarena

Fampiroboroboana ny sehatra jono Nanome 4 tapitrisa dolara ny Japoney


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Famatsiam-bola mitentina 4 400 000 dolara na 16 448 212 000 Ariary (1 dolara=3738, 23 Ariary) no natolotry ny governemanta Japoney ho an’i Madagasikara ary hiarahana amin’ny firenena 4 dia i Kaomoro, Seychelle, Maorisy ary Kenya.

 

 Tanjona ny hametrahana amin’ny tokony ho izy ny seha-pihariana jono izay mitana anjara toerana eo amin’ny toekaren’ny firenena. Tetikasa fiarovana sy fanajariana ny vatoara (récif corallien) sy ny ala honko (mangroves) izay toeram-ponenan’ny trondro ary hitomboan’ireo karazan-java-manan’aina anaty rano. Ho an’i Madagasikara manokana dia notontosaina omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono Anosy ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa. Haharitra 3 taona ny tetikasa ary hotantanin’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana na ho an’ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO). Tsiahivina fa efa nampanantenaina talohan’ny  TICAD io famatsiam-bola avy amin’i Japoney io ary mbola maro ireo fanampiana ho an’ny firenena Afrikanina voarakitra tamin’ny TICAD 7 farany teo. Mbola nanamafy ny fahavononana amin’ny fampandrosoana ny harena anaty ranon’i Afrika hatrany ny Japoney araka ny lahatenin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny masoivohony eto Madagasikara, Yorio Ito.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT