Toekarena

Fampiroboroboana ny sehatra Indostria Miankina amin’izay filoham-pirenena ho lany eo


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Omaly talata 20 novambra no natao tetsy amin’ny Carlton Anosy ny latabatra boribory ho fankalazana ny Indostria eto Afrika izay nanasana mpandraharaha maro sy ireo sehatra tsy miankina.

 

 

Nanambara ny minisitra Guy Rivo Randrianarisoa fa laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny orinasa Malagasy. Raha tsy misy ny vokatra vita eto an-toerana dia hitotongana hatrany ny asa ka ho lasa mpivarotra daholo ny ankamaroan’ireo Malagasy, hoy izy. Efa iaraha-mahita ny fahambanian’ny ny sandam-bola Malagasy sy ny tsy fahafahana manaraka ny fahefa-mividin’ny any ivelany izay mamotika ny toekarena, hoy ny minisitra. Tsy maintsy ampifandrindrana ny entana avy any ivelany sy ny tonga eto an-toerana ary ny fitondram-panjakana no tompon’antoka amin’izany. Ny filoham-pirenena vaovao izay ho lanim-bahoaka eo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fampandehanana sy fampandrosoana ny Indostria Malagasy. Tsy maintsy omena sehatra ny Malagasy rehetra izay te hanangana orinasa, hoy ny minisitry ny Indostria satria hiainga amin’izany ny fampandrosoana ara-toekarena. Nanome soso-kevitra ihany koa izy ny amin’ny tokony hanarahana maso fotsiny izay manangana orinasa mandritra ny enim-bolana aloha. Tsy  tokony hotakiana hetra mihitsy ireo orinasa vao mitsangana ireo fa avela hamokatra tsara aloha hoy ny minisitra Guy Rivo Randrianarisoa. Ireo trano be mijoalajoala ataon’ny vahiny no tokony hakàna hetra ary mila jeren’ny fitondram-panjakana fa tsy ireo Indostria Malagasy vao niforona tsy ela akory.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT