Ny 21 ka hatramin'ny 24 oktobra 2019 dia ho any India ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), ny kaompania Air Madagascar, Air Austral, Tsaradia ary ny Air Mauritius.
Tanjona ny hampisehoana fa matihanina ny Malagasy ary manana tombony tanteraka i Madagasikara. Hihaona amin'ireo mpandraharaha mpizahatany sy ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny solontena Malagasy ka anisan’izany ny any New Delhi, Mumbai, Bangalore ary Chennai. Maro ihany koa ireo tolotra ara-pizahantany isan-karazany hatolotry ny mpandraharaha Malagasy. Ao anatin’ny tanjona apetraky ny minisiteran'ny fitaterana, fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro izao ary hisintomana an’i India mba hanao ho laharam-pahamehana ny fizahantany eto Madagasikara. Ny fisokafana amin’ny India ihany koa dia hanampy ireo tetikady stratejika ho an'i Madagasikara hahafahana hampitombo ny sehatra fizahantany noho izy ireo efa be traikefa. Ankoatra izay, tsara ny safidy satria mandrisika ny fisian'ny sidina mivantana any India miainga avy any La Réunion sy Maorisy mankaty Madagasikara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.