Toekarena

Fampiroboroboana ny sehatra ara-barotry ny Oseana Indiana Nanome 2,4 tapitrisa Euros ny AFD


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Nifarana omaly tetsy amin’ny village Voara Andohatapenaka manomboka ny fihaonam-be ara-toekarenan’ny nosy manodidina ny Oseana Indiana andiany faha -11.

 

 

 

 Ho fampandrosoana ny tetikasa hanamafisana ny sehatra ara-barotra eto amin’ny Oseana Indiana (PRCC-OI) dia nanolotra fanampiana mitentina 2,4 tapitrisa euros ny AFD. Io fandaharan’asa io mantsy no hampivondronana ireo mpandraharaha ara-toekarena amin’ireo Nosy manodidina ny Oseana Indiana ahafahan’izy ireo manatsara ny fidirany amin’ny tsena iraisam-pirenena.  Nampiavaka ity tetikasa ity ny fijerevana sehatra maro samihafa mampandroso haingana be ny toekarena tahaka ny Indostria, ny fizahan-tany, ny fanodinana ny fako ary ny fampiroboroboana ny teknolojia. Ankoatr’izay dia hahazo famatsiam-bola mitentina 300 000 Euros ihany koa ny tetikasa PRCC-OI. Ho voavaha ihany koa ny olana sedrain’ny mpandraharaha eo amin’ny fampandrosoana ny orinasany amin’ny lafiny maro tamin’ity hetsika ara-toekarena ity satria hisy ny vaovao tsy tapaka ho azon’ireo mpisehatra amin”ny fandraharahana. Ao anatin’ny vovonana ikambanan’ireo mpisehatra ireo dia ho mora kokoa ho amin’ireo mpandraharaha ny hamorona orinasa sy hampandroso haingana ny fampiasam-bolany. Mila manararaotra ny hetsika sahala amin’itony I Madagasikara hitsaboana haingana ny toekarena satria tombony ny nandraisana izany teto amin’ny firenena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT