Toekarena

Fampiroboroboana ny orinasa eto an-toerana Ilaina ny toerana malalaka ifanakalozana


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Amin’izao krizy efa mipaka amin’ny kaontinanta afrikana vokatry ny covid-19 izao dia mila mampiroborobo ny orinasa eto an-toerana aloha ny firenena.

 

 Izany ihany koa ny soso-kevitra nataon’ny mpahay sy mpandraharaha ara-toekarena tamin’ alalan’ireo fanehoan-kevitra maro nandritra ny nisian’ity krizy maneran-tany ity. Fantatra fa maro ireo firenena nandroso sy nihazakazaka ara- toekarena indrindra ireo firenena nahantra niaraka tamin’i Madagasikara rehefa nampihatra ny Toerana Malalaka Ifanakalozana (Zone de Libre Echange). Anisan’izany ohatra I Rwanda, Nigeria, Ethiopie. Ireo dia nahay niezaka sy nametraka fitsipika fifampifehezana tamin’ny asa mafy nataony ary tojo fampandrosoana. Ankoatry ny krizy mamaivay ateraky ny aretina coronavirus dia hita fa tsy mifanindran-dalana mihitsy ny fitomboan’ny isan’ny mponina Malagasy sy ny harinkarena misy eto amin’ny firenena. Noho izany dia tsy mihatsara ny fiainan’ny mponina satria tsy misy fitomboana hita ho mivaingana ny harinkarena. Araka izany ary dia tokony miasa mafy sy mila miray hina ny mpisehatra ara-toekarena rehetra indrindra ireo sehatra tsy miankina hahatanteraka ny fampandrosoana. Tokony hahay hanararaotra ny fisian’ny toerana malalaka ifanakalozan’ny kaontinanta afrikana (ZLECAF) izay tsena lehibe i Madagasikara. Na dia ireo vokatra any ivelany aza no manenika ny tsena afrikana dia manana ireo akora fototra maro izay tokony ahodina sy afaka hitrandrahana ny firenena Malagasy. Hitondra asa maro ary hampiroborobo ny orinasa eto an-toerana izany ka tsy mila manafatra foana ny entana avy any ivelany izay mitondra fatiantoka ny firenena. Tsy maintsy manao ny ezaka ny fanjakana sy ireo mpisehatra rehetra hampitombona ny famokarana mba hisy ambim-bava haondrana hatrany ambanivohitra. Mifanindry andalana amin’izany ny fampandrosoana ny fanabeazana mba hifehezana hatrany ny teknolojia hampiroborobo ny Indostria eto an-toerana. Rehefa miarin-doha sy mandroso tsara ny orinasa eto an-toerana dia moramora amin’i Madagasikara ny misehatra ao amin’ny ZLECAF fa raha tsy izany dia ho fatiantoka hatrany. Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT