Fampiroboroboana ny mpandraharaha madinika

Hanampy ny vahoaka malagasy ny NIM


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Nezahana hatrany ny nanatona ny mpanjifa, raha ny taona 2023 no resahana,

hoy ny avy eo anivon’ny banky malagasy Nouvelle institution de microfinance na NIM, izay manana ny foibeny etsy Andavamamba. Miisa 21 no isan’ny masoivohonay manerana an’i Madagasikara ankehitriny, hoy ny tomponandraikitry ny serasera sy fifandraisana ankapoben’izy ireo, Rija Disaine. 7 tamin’izay no nosokafana tamin’iny taona 2023 iny. Tao anatin’izay i Ambatolampy, Ambositra, Amparafaravola, Vangahindrano, Miandrivazo, Analavory, Taolagnaro. Tanjona ny tena hoe hanatona ny mpanjifa mihitsy satria efa maro ny olona manana hetaheta hiara-hiasa amin’izany hoe banky malagasy 100% izany ka izay no mahatonga ilay fanapahankevitra amin’ny fivelarana. Manana ny lanjantsika isika malagasy ary miezaka mifaninana amin’ireo banky vahiny ireo. Azo lazaina ho nihatsara ny tombana na “bilan” ho anay tamin’iny taona iny. Antony himasoanay amin’ny fampianarana ny vahoaka malagasy hisehatra amin’itony fampiasam-bola madinika na “microfinance” itony izany. Nanomboka ny 9 janoary hatramin’ny 30 jolay izao izahay dia manokatra ny kitapom-bola na “capital” an’ny NIM mba hahafahan’ny vahoaka malagasy miditra ho mpiara-miombon’antoka ato. Tsy voatery ho an’ireo orinasa lehibe, noho izany, ny anjara na “action” ato fa misandrahaka ary tena tanjona aza dia ny hoe mba hisitraka izany koa ireo mpandraharaha madinika. Manomboka amin’ny 200.000 Ariary hatramin’ny 200 tapitrisa Ariary tsinona no petra-bola azo atao dia efa manana anjara na “action” ato ilay mpandraharaha. Fivelarana sy fanatonana kokoa ny mpanjifa erak’i Madagasikara no tanjona. Miankina amin’izay rahateo tsinona no afaka mampiroborobo ny fihitaran’ireo masoivoho manerana an’i Madagasikara sy manome fahafaham-po betsaka kokoa ireo mpanjifa malagasy sy izay te hiara-hiasa aminay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT