Toekarena

Fampiroboroboana ny Indostria Tsy ho vitan’ny fanjakana samirery


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Tokony hifandrombonana ny fampandrosoana ny Indostria Malagasy araka ny fanambaran’ny Filohan’ny Filankevim-pitantana (PCA) n’ny Sendikan’ny Indostria Malagasy (SIM), Hassim Amiraly nandritra ny fandaharana tamina fahitalavitra tsy miankina iray omaly alahady.

 

 

Tompon’andraikitra ny rehetra ary tsy azo ianteherana amin’ny fitondram-panjakana ihany izany. Manana andraikitra lehibe amin’ny fampivoarana ny Indostria ohatra ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny amin’ny fanjifana ny Vita Malagasy izay tsara kalitao araka ny fanazavan’ny PCAn’ny SIM. Nanentana ny tanora Malagasy nahavita ny fianarana ihany koa ny eo anivon’ny SIM mba ho vonona sy sahy hanao zavatra sy hanangana tetikasa hahafahana mampiainga ny Indostria Malagasy. Vonona ny mpandraharaha sy ireo sehatra tsy miankina mivondrona ao hanohana amin’ny lafiny maro ireo tanora sahy manangana Orinasa sy Indostria Malagasy hoy izy. Tsy manao politika rahateo ny SIM araka ny fanambarana ary miantso fifampiresahana hatrany amin’ny fanjakana amin’ny hampiroboroboana ny Indostria Malagasy manerana ireo faritra rehetra. Nanambara ihany koa Atoa Hassim Amiraly fa tsy ampy hanavotana sy hampandrosoana haingana ny Indostria Malagasy ny vahaolana ao anatin’ny drafitra « Plan Marshall » ka izany no ilàna fifampidinihana hatrany amin’ny fanjakana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT