Toekarena

Fampiroboroboana ny Indostria Tena mbola mila ezaka be i Madagasikara


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Napetraka omaly zoma 10 aogositra tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ilay “baromètre de l’industrialisation de Madagascar” nokarakarain’ny “Alliance pour l’Industrialisation” hikambanan’ny FIVPAMA,

 

 SIM ary ny mpikaroka amin’ny lafiny ara-toekarena CREM. Tamin’izany no namoahan’ny mpahay toekarena eo anivon’ny CREM tondro 3 ka ny voalohany dia miresaka ny ankapoben-javatra (indice global) tahaka ny tontolo ara-toekarena sy ny fandraharahana izay nahazoan’i Madagasikara naoty 26/100. Raha io tarehimarika io dia mila ezaka be ny firenena Malagasy anatin’ny telo sy enim-bolana ho avy ny amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny  Indostria. Fa misy ihany koa ny tondro momba ny hoavin’ny indostria Malagasy (Indice de la conjoncture future) izay nahazoan’i Madagasikara naoty 48/100. Izany hoe mbola misy ny fanantenana amin’ny fampiroboroboana ny Indostria Malagasy raha mijery ny tarehimarika. Noresahina tao fa ny angovo sy ny tsy fandriampahalemana no tena sakana amin’ny fananganana sy fampandrosoana ny Indostria Malagasy ka mahatonga io tondro io ho ambany hatrany. Ankoatr’izay dia ny kalitaon’ny tolotra sy ny tsy fahafahana misehatra amin’ny banky no anisan’ny sakana tsy ahafahana mifaninana mihitsy amin’ny Indostria any ivelany. Raha ny momba ny tondro ara-tsosialy (Indice social) indray dia 39/100 no azon’ny firenena Malagasy. Io indray dia miresaka momba ny fahafaham-pon’ny mpiasa  amin’ny asa ataony sy ny mpampiasa mifehy azy. Eo ihany koa ny resaka fanajana ny karama sy ny fiahiana ara-tsosialy izay mbola anararaotan’ny mpampiasa hatrany ireo mpiasa madinika. Ireo tondro telo ireo no fitaovana ho enti-manitsy ny politika hampandrosoana haingana ny Indostria eto Madagasikara.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT