Fampiroboroboana ny indostria

Tafapetraka ny Filankevitra nasionaly


  • Talata 21 Novambra 2023

Lany ho Filohan’ny Filankevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (CNIM)

i Christian Rasoamanana raha i Hassim Amiraly kosa no nofidian’ny mpikambana ho Filoha lefitra. Tafatsangana tamin’ity Alatsinainy 20 Novambra 2023 ity, nandritra ny Fivoriambe natao tetsy amin’ny EDBM Antaninarenina, araka izany ny CNIM. Nofidiana manokana ny vaninandron’ny 20 Novambra, Andro maneran-tany ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria aty Afrika, hametrahana ity rafitra vaovao ity. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Fivoriambe moa ny Minisitra, Edgard Razafindravahy. Nazava ny teniny fa dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny Fifanekena momba ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria, vita sonia teo amin’ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina ny 31 Jolay 2023, izao fametrahana ny CNIM izao. Rafitra manokana hisahana ny fitantanana stratejika sy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fifanarahana ny CNIM. Mandrafitra ny CNIM ireo mpikambana tendren’ny tsirairay avy nanao sonia ny Fifanekena hiasa mandritra ny 3 taona azo havaozina indray mandeha. Manendry olona ho ao amin’ny CNIM, araka izany, ny MICC sy ny MEH, ho an’ny Fanjakana, ary ireo Vondron’ny mpandraharaha miisa 9 misolo tena ny Sehatra tsy miankina. Ho antoka amin’ny fanatanterahan’ny andaniny sy ankilany araka ny tokony ho izy ny andraikiny, ankapobeny sy isa-tsehatra, mifanaraka amin’ny dingana sy ny tetiandro voafaritra mialoha ary ny fitohizan’ny asa ny CNIM. Mamaritra ny lalan-jotran’ny indostria hatramin’ny taona 2040 sy ny fomba hanatrarana izany ny Fifanekena. Hanatrarana ny tanjona dia napetraky ny Fifanekena ho zava-dehibe ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana, ny famatsiam-bola, ny fotodrafitr’asa sy ny fanofanana. Laharam-pahamehana ny seha-pihariana dimy dia ny fandraharahana hanodinana ny vokatry ny fambolena, ny momba ny lamba, ny lohamenaka, ny indostria mpanodina ny harena ankibon’ny tany ary ny famokarana angovo azo havaozina. Hanao tatitra isaky ny enim-bolana momba ny fandrosoan’ny fanatanterahana ny Fifanekena ny CNIM, hoy ny fampitam-baovao.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT