Toekarena

Fampiroboroboana ny indostria maitso Fampandrosoana ny toekarena sady fitsinjovana ny ho avy


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

Ilaina ny fananganana indostria ary efa fantatra maneran-tany ankehitriny fa dingana iray lehibe tsy azo ihodivirana eo amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboroboana azy.

 

 Mila mitandrina ihany anefa ny amin’ny fananganana Indostria mba tsy ho fandrosoana miteraka loza ka lasa manelingelina ny fivelomana. Rehefa hanangana ozinina dia tokony hisy hatrany ny fampidirana sy fampiharana ireo fepetra ho fiarovana ny tontolo iainana mba hifanindran-dalana tsara ny fampandrosoana sy ny fikajiana ny natiora. Iaraha-mahalala fa ny angovo mampiasa solika (énergie thermique), indrindra ny solika mavesatra dia lafo nefa tsy manaja ny tontolo iainana. Ny Banky Iraisam-pirenena aza moa dia nilaza tamin’ny oktobra 2017 ny tsy hanome famatsiam-bola ho an’ny central thermique izany intsony ho fiarovana ny tontolo iainana.  Ny famokarana angovo amin’ny fomba azo antoka  tsy hanimba ny tontolo iainana ihany no hampandroso haingana ny indostria eto Madagasikara. Tokony hisy, araka izany, ny politika mazava ny amin’ny fampiasam-bola sy famatsiana ny angovo azo havaozina ho amin’ny fanapariahana ny herinaratra, indrindra ny angovo azo avy amin’ny rano sy masoandro. Tombondahin’i Madagasikara ny fampiroboroboana ny indostria maitso ary hisy akony haingana amin’ny toekareny sady hitsinjo ny taranany faramandimby.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT