Fampiroboroboana ny indostria

Isan’ny lalana mankany ny resaka politekinika


  • Zoma 23 Aogositra 2024

An-taonany maro izay no liana mankany amin’ny tontolon’ny politekinika ny tanora,

hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly tsy miankina iray momba izany nandritry ny hetsika momba ny fampianarana ambony sy fampiofanana tetsy Ankasina, 67ha, omaly. Resena lahatra ihany koa, hoy izy, ny tanora hiditra amin’izany satria ny fahafehezana izay tontolon’ny politekinika izay dia isan’ny fanoitra ihany koa mora ivelaran’ilay tanora ao anatin’ny sehatry ny asa. Izay no hampirisihina ny tanora hiditra ao anatin’ny sehatry ny fandraharahana. Hafa mihitsy izany mpandraharaha mahafehy ny asany, indrindra, ny tontolon’ny politekinika izany. Taona maromaro izao no efa niresahana ny fidiran’i Madagasikara tao anatin’ny antsoina hoe «industrialisation» na fampiroboroboana indostria. Isan’ny lalana mankany ny resaka politekinika. Mandroso isika fa mandeha tsikelikely satria raha eo amin’ny resaka fahalinan’ny mpianatra dia tsapa fa mitombo ny isan’ny mpianatra manovo fahalalana any amin’ny fianarana politekinika. Ao aminay manokana izao dia mitombo foana ny isan’ny mpianatra misoratra anarana amin’izany. Mitombo koa ny isan’ireo sekoly lehibe misehatra amin’ny politekinika. Ny politekinika nefa mifototra amin’ny resaka fampiharana na pratika dia ny eo amin’ny lafiny fitaovana izany no mila ampiroboroboina kokoa. 31 taona izay no niorenanay. Miisa 300 isan-taona eo no mpianatra liana amin’ny politekinika raha ny hita ato aminay manokana. Efa tafakatra hatrany amin’ny 1700 na 1900 any foana no isan’ireo miditra ho taona voalohany. Ny olana dia lasa kolontsaina eto Madagasikara ny hoe asan-dehilahy ny politekinika. Raha ny hita ao aminay manokana nefa dia efa mifanahantsahana izay tanora lahy sy vavy miditra amin’ny fianarana politekinika izay. Ny «débouché» na lalan-kasa ao anefa aza no tena mazava be indrindra, raha oharina amin’ny sampam-pianarana hafa satria vao miditra taona voalohany ianao dia efa mahafantatra hoe tsy maintsy ity izany no hiafarako. Efa fantatrao hoe ireto avy no azoko atao. Raha hanangana orinasa aho dia izao no hanaovako azy. Raha hiasa amin’ny orinasa dia ireto avy no orinasa mifandraika amin’ity marim-pahaizana ananako ity. Ao aminay izao misy lalam-piofanana miisa 19. Afaka misafidy ny sampana politekinika, mazava ho azy, ny safidy na «série» C, D, siantifika sy tekinika. Misy safidy toy ny A2 nefa, ohatra, afaka manao lalàna na «droit» sy fitantanan-draharaha na «technique des affaires» sy fizahantany. Afaka manao biotekinolojia sy agronomia na fambolena koa izy. Ny informatika, ny «génie industrielle», ny «génie civile» sy haitaotrano na «architecture» dia natokana ho an’ireo mpianatra nanao safidy C, D, siantifika sy tekinika, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT