Saika mitsipozipozy avokoa ny seha-pihariana misy ankehitriny eto Madagasikara. Anisan’izany ny sehatra Indostria izay vitsy eto. 80 monja ny mpikambana ao anatin’ny sendikan’ny Indostria eto Madagasikara kanefa ireo dia mampiditra 916 miliara isan-taona ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ary mampiasa mpiasa 600 000.
Ilaina ny fananganana indostria ary efa fantatra maneran-tany ankehitriny fa dingana iray lehibe tsy azo ihodivirana eo amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fampiroboroboana azy. Ny fahombiazana hita tany Azia, Amerika, aty Afrika dia vokatry ny fananganana indostria izay nampiala tamin’ny fiankinan-doha sy ny fahantrana. Hisy fiantraikany mivantana amin’ny toekarena Malagasy ny fananana indostria izay mitodika amin’ny fanodinana akora fototra indrindra indrindra. Hiteraka asa famoronana sy fivoarana ara-teknika ireny ka hanatsara ny vokatra sy ny tsena anatiny ary hipaka amin’ny fiainan’ny mponina iray manontolo. Mila miova anefa ny toetsaina rehefa manangana Indostria. Eo ny fahaiza-manao ilaina fa takiana ihany koa ny fahavitrihana sy fikirizan’ny mpiasa mpamokatra. Rehefa mandroso ny indostria dia hivelatra ny seha-pamokarana goavana izay ananan’i Madagasikara eo amin’ny fambolena sy fiompiana ary fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Hanome lanja ny mponina ihany amin’ny alalan’ny asa aterany izany ary hampisondrotra amin’ny fotoana fohy ny toekarena Malagasy.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.