Toekarena

Fampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara Misy ny fanantenana raha…


  • Zoma 20 Martsa 2020

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina indray ny “baromètre de l’industrialisation de Madagascar fahaefatra” nokarakarain’ny “Alliance pour l’Industrialisation” ikambanan’ny FIVPAMA, SIM, ary ny CREM.

 

Namoaka tatitra tahaka ny mahazatra izy ireo ary nilaza fa na nisy aza ny vokatra tsaratsara kokoa tamin’ny heritaona dia ambany sy marefo hatrany ny sehatra Indostria eto Madagasikara. Na izany aza dia mbola misy ny fanantenana amin’ny fampiroboroboana ny Indostria Malagasy raha mitazona ny teniny ny amin’ny velirano faha-7 nataony ny filoham-pirenena. Hatreto dia 80%n’ ny vokatra ampiasaina eto Madagasikara dia mbola afarana any ivelany avokoa. Laharam-pahamehana araka izany aloha ny fanetsehana sy ny fampiasana faran’izay betsaka sy maro indrindra ireo vokatra Malagasy mba hisy akony amin’ny toekarena. Ny fisian’ny valanaretina Coronavirus dia tokony hanararaotana hampiodinana haingana ireo Indostria anatiny rehetra satria efa mikatona amin’ny any ivelany I Madagasikara. Amin’izao fotoana izao no tokony hampiroboroboana ny Vita Malagasy ka hanjifa ny vokatra rehetra vita eto ny firenena. Maro loatra mantsy ireo vokatra avy any ivelany mitobaka eto Madagasikara izay mamotika ny vokatra Malagasy. Raha mba miditra miantsena amin’ireny toeram-pivarotana lehibe ireny dia vokatra avy any ivelany no betsaka ary zara raha misy ny vita Malagasy.

Ilàna ezaka hatrany ireo tarehimarika

Namoahan’ ny mpahay toekarena eo anivon’ny CREM tondro 3 tahaka ny mahazatra taorian’ny fanadihadiana nataony. Ny voalohany tamin’izany dia miresaka ny ankapoben-javatra (indice global) tahaka ny tontolo ara-toekarena sy ny fandraharahana izay nahazoan’i Madagasikara naoty 66/10. Raha io tarehimarika tamin’ny Novambra 2019 io dia nihatsara raha oharina ny taona 2018 izay nanome 26/100 saingy mila mitohy ny ezaka amin’ny  fampiroboroboana ny  Indostria. Fa misy ihany koa ny tondro momban’ny ho avin’ny indostria Malagasy (Indice de la conjuncture future) izay nahazoan’I Madagasikara naoty 62/100 raha 48/100 ny taona 2018. Izany hoe misy hatrany ny fanantenana amin’ny fampandrosoana ny Indostria Malagasy. Raha ny momba ny tondro ara-tsosialy (Indice social) indray dia 69/100 no azon’ny firenena Malagasy ny taona 2019 raha 39/100 izany ny taona 2018. Io indray dia miresaka momban’ny fahafaham-pon’ny mpiasa amin’ny asa ataony sy ny mpampiasa mifehy azy. Eo ihany koa ny resaka fanajana ny karama sy ny fiahiana ara-tsosialy izay mbola anararaotan’ny mpampiasa hatrany ireo mpiasa madinika matetika. Rehefa miakatra izany ireo tondro 3 izay fitaovana ho enti-manitsy ny politikam-pampandrosoan’ny Indostria eto Madagasikara ireo dia hisy akony haingana amin’ny toekarem-pirenena izany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT