FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA ATY AFRIKA

Amporisihana ny fampiasam-bola goavana, atosika ny sehatra madinika


  • Zoma 15 Desambra 2023

JIA) 2023 “Miatrika ny ho avin’ny indostria eto Madagasikara isika ankehitriny ary mandray

an-tanana izany ho avy izany”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Nanokatra ny fankalazana ny Andron’ny Fampiroboroboana ny Indostria aty Afrika tetsy amin’ny Carlton Anosy ny Minisitra misahana ny Fampiroborobona ny indostria androany Alakamisy 14 Desambra 2023. Fankalazana iarahan’ny MICC, ny ONUDI, ny SIM ary ny tetikasa PAISF manatontosa. Nampahatsiahivin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’izany ny ezaka efa vita sy ny mbola ho avy entina mampandroso ny indostria, miainga eny ifotony, hanatanterahana ny fanorenana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Miendrika roa lehibe ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara imasoan’ny MICC amin’izao fotoana izao. Ny voalohany dia ny fampirisihana ireo mpampiasa vola sy ireo mpamatsy vola hanampy eo amin’ireo orinasa sy indostria goavana eto Madagasikara (fomba fijery lavitra ezaka). Faharoa, manohana ny indostria miainga eny ifotony sy manakaiky vahoaka amin’ny alalan’ny tetikasa Taninketsa Indostrialy (fomba fijery fohy ezaka). Tanjona voalohany amin’izany ny fampiasam-bola ho an’ny vahoaka ary indrindra hahitan’ny rehetra tombontsoa, miainga eny amin’ny tantsaha, ny mpandraharaha mpanodina ny orinasa, ny vahoaka ary ny rafi-panjakana. Ao anatin’ny ezaka sy ny hetsika nataon’ny Rafi-panjakana hanafainganana izany fampiroboroboana ny indostria maharitra izany ny fametrahana ny Lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara, ny fametrahana ny fifanarahana ara-indostria eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ny fametrahana ny Tahirim-pirenena momba ny fampandrosoana ara-indostria na FNDI. Fotoana iray ahafahan’ny mpisehatra ara-indostria mifanakalo sy mifampizara traikefa indrindra eo amin’ny vehivavy sy tanora mpandraharaha ny JIA,…
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT