Toekarena

Fampiroboroboana ny Indostria Any Korea Atsimo ny minisitra Guy Rivo


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Manao fitsidihana any Korea Atsimo ny minisitry ny Indostria Guy Rivo Randrianarisoa amin’izao ho tohin’ny ny « Semaine de Corée » natao teto

 

 

Antananarivo ny herinandro voalohan’ny volana septambra teo sy ny fanatontosana ny fihaonana ara-ekonomika teo amin'ny mpandraharaha Malagasy sy koreana ny 4 septambra 2018 tao amin'ny Hotely Carlton. Mitsidika orinasa lehibe  sy oniversite maromaro ny tenany. Omaly alarobia dia nisy ny fihaonana tamin'ireo manampahefana ambony eo amin'ny firenena koreanina toy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena Moon Hee-Seng. Mifanojo amin'ny fihaonana an-tampony teo amin'ny filoha koreanina rahateo izao fihaonana izao ka nilazan'ny minisitra Guy Rivo fa manohana ny ezaka rehetra mitondra mankany amin'ny filaminana sy ny fitoniana ny Malagasy. Nampirisika koa izy ny hifandraisan'ireo solombavambahoaka roa tonta. Marihina fa mbola hihaona amin'ny tompon’andraikitra ambony misahana ny indostria ny tenany.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT