Toekarena

Fampiroboroboana ny fanondranan’entana Hampitomboina avo 3 heny


  • Alarobia 04 Jolay 2018

Avy eto Antananarivo avokoa, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy, ny 80%-n’ireo entana aondrana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Mba hahafahana manampy ireo mpandraharaha eto an-drenivohitra sy hanampiana ireo mponina any an-toerana ary dia fantatra fa hohatsaraina ny lalam-pirenena faharoa sy ny lalamby mihazo iny faritra iny, ankoatra ny fanitarana ny seranana. Tetikasa efa samy mandeha avokoa moa ireo, raha ny fanazavana, ary tanjona ny ahafahana mampitombo avo 3 heny ny fanondranana entana avy eto amintsika. Ampitomboina avo 3 heny toy izay koa ny famokarana eto Antananarivo. Ao anatin’ilay tetikasa TaTom no hanatanterahana izany, iarahan’ny minisiteran’ny asa vaventy sy ny orinasa japoney JICA misalahy, raha ny fanazavana nandritry ny fihaonan’ny 2 tonta tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo omaly.

J. Mirija


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT