Nampahafantarina tetsy amin’ny filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM) Antaninarenina omaly alakamisy 7 febroary ny fandraisan’anjaran’ireo orinasa Malagasy amin’ilay hetsika fampirantiana Biofach 2019.
Hotanterahina any Nuremberg any Alemana ny 13 hatramin’ny 16 febroary izao ity hetsika ity ka orinasa Malagasy miisa 6 mpikambana ao amin’ny Sendika Malagasy momba ny fambolena Biolojika (SYMABIO) no hampiranty ireo vokatra Malagasy. Tombony lehibe ho an’i Madagasikara izany satria tsy vitan’ny hivarotra vokatra fotsiny fa amin’io no hanararaotana hijerena tsena vaovao sy hambolena fiaraha-miasa amin’ireo firenena maro handray anjara. Tanjon’ireo orinasa Malagasy tsirairay handray anjara ireo ny handrary fiaraha-miombon’antoka miisa 2 farafahakeliny amin’io fotoana io. Tsiahivina fa tafiditra 10 voalohany amin’ny firenena afrikanina 36 mampiasa velaran-tany amin’ny fambolena biolojika i Madagasikara. Haranty any ireo vokatra mampalaza ny firenena tahaka ny kakao, lavanila sy ireo menaka lafo vidy (huiles essentielles). Manana tombony be i Madagasikara amin’ireny vokatra ireny raha mitaha amin’ny hafa ary hita mitombo hatrany ny filan’ny firenena vahiny. Raha mahakasika ny lavanila ohatra dia ny vokatra sy ny kalitao avy aty amin’ny firenena Malagasy hatrany no manintona ny mpividy na dia efa manao izay ho afany aza ireo firenena hafa tahaka ny any Indonezia sy Ouganda. Arak’izany dia ny fitazonana hatrany ny kalitao tsara mba hifanandrify amin’ny filàn’ireo orinasa manodina ahafahana manondrana any ivelany no tokony himasoana. Mbola olana kosa ny tsy fahampian’ny vola hanaovana fandraharahana na dia efa mandroso aza i Madagasikara amin’ny resaka bio ka tokony hijeren’ny fanjakana vahaolana haingana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.