Nitondra fanazavana mikasika ilay fampindramam-bola omena amin’ny alalan’ny CNaPS ny tale jeneraliny,
Mamy Rakotondraibe omaly. Miara-miasa amin’ny banky ny CNaPS hahafahany mampindrana ny vola, 07 ka hatramin'ny 10 andro no mivaly ny fangatahana. Ny vola azo hindramina dia mitovy amin'ny karama raisina anatin’ny iray volana. Eo anelanelan’ny 200.000 sy 500.000 ariary izany. Manomboka ny telo volana voalohan’ny taona 2021 no famerenana ny vola ka atao isam-bolana izany ary esorina amin’ny karama. Ny mpiasa izay tapaka ny fiaraha-miasa amin’ny mpampiasa dia tsy afaka misitraka io findramana io. Ireo orinasa tsy nanao fanambarana ara-dalàna dia tsy tafiditra ao anaty lisitra satria mampiahiahy sao tsy hahatafaverina ny vola nindramina, satria latsakemboky ny CNaPS aza tsy voaloany.Tena nidina ny latsakemboka voarain'ny CNaPS tato anatin'ny fahamehana ara-pahasalamana , soa ihany fa manana tahiry ny CNaPS, hoy ny tale jeneraly. Eo amin’ny 3% amin’ny olona afaka miasa eto Madagasikara ihany no tena manao latsakemboka ao amin’ny CNaPS, ary 14% eo amin’ny tahan’ny mpiasa Malagasy. Na inona na inona mitranga eto amin’ny firenena dia tsy maintsy alohan’ny CNaPS ny vola ho an’ireo zoky Raiamandreny 60 taona miakatra sitrahana mandra-pahafaty. Tsy azontsika atao mihitsy ny hoe nanome vola, dia alaina fa hoe sahirana, fa kosa iny latsakemboka iny no manome zo rehefa aorian’ny 60 taona, hoy ny fanazavana. Ny tahirin’ny CNaPS dia roa taona na telo taona eo ahafahana mandoa ny volan’ireo raiamandreny, raha tsy misy latsakemboka mandeha mihitsy. Ny latsakemboka amin’izao dia isan’ny misitraka izany ireo zokibe ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.