Toekarena

Fampindramam-bola Orinasa 110 no efa nisitraka ny “Crédit Miarina”


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Sehatra miisa 4 no mahazo tombony amin’ ny tetikasa fampindramam-bola « crédit miarina » dia ny fambolena, ny fiompiana, ny Indostria ary ny fizahantany entina hanampiana ireo sehatra tsy miankina nisedra olana amin’izao hamehana ara-pahasalamana ateraky ny aretina covid 19 izao.

 

 

 

 Vola natokana hanodinana indray ny orinasa izay efa nitsangana nandritra ny 3 taona farafahakeliny izany ary natokana ho an’ireo manana vola miodina latsaky ny 5 miliara Ariary sy manana mpiasa latsaky ny 30. Ambany ny tahan’ny zana-bola satria 8% izany ho an’ny sehatra Indostria, 9% ho an’ny sehatra fizahantany ary 24 volana ny faharetan’ny fampindramam-bola. Ireo orinasa mbola liana amin’ity tolotra ity moa dia nentanina handalo eny amin’ny banky BOA sy BNI akaiky azy hijery ny andinindininy rehetra. Marihana fa mitentina 50 miliara ariary ny tetibola natokana ho an` ity tetikasa ity. Tanatin’ny roa herinandro monja dia efa nahatratra 110 sahady ireo orinasa nisitraka izany. Ao anatin’ny tetikasa Fihariana ihany ny « crédit miarina » izay natokana ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany (PMI-PME) ary efa niainga taorian’ny fihaonan’ny filoha tamin’ny sehatra tsy miankina teny Iavoloha.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT