Orinasa 135 no efa nisitraka ny fampindramam-bola “Miarina” napetraky ny fanjakana hoenti-manavotra ireo orinasa.
Tao anatin’ny 3 herinandro izay no nametrahana an’io fampindramam-bola io, ka vola 6 miliara ariary ny tetibola efa naompana tamin’izany, raha toa ka 50 miliara ariary ny vola voalaza fa hatokan’ny fanjakana amin’izany. Saika manerana ny Nosy ireo orinasa efa nanao findramam-bola ireo satria tao anatin’ny faritra 16 amin’ny 22 eto amin’ny firenena, ka teto Analamanga ny 52% tamin’ireo. Orinasa misehatra amin’ny varotra ny 35% tamin’ireo, misehatra amin’ny filan-draharaha ny 21%, avy amin’ny sehatry ny fitsaboana ny 13%, fizahantany ny 10%, asa tànana ny 8%, fitaterana ny 7%, ny taon-trano sy asa vaventy na ny BTP ny 4%, ary ny tontolon’ny fiompiana kosa ny 1% tamin’ireo orinasa. Manodidina ny 45 tapitrisa ariary ny salan’isan’ny vola nindramin’ireo orinasa. Ireo mpandraharaha nijoro ara-dalàna mihoatra ny telo taona sy arakara ny renivola ampiasainy sy ny mpiasa no afaka misitraka izany. 8% isan-taona ny zana-bola ho an’ny indostria sy filan-draharaha, ary 9% ho an’ny sehatry fizahantany. Manana enim-bolana hamerinana ny renivola, ary 24 volana hamerenana ny vola.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.