Toekarena

Fampindramam-bola madinika Tsy marisika mampiasa vola intsony ny Malagasy


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Sahirana, tena sahirana ny Malagasy. Tsy misy mandeha amin’izay izy intsony ny asa atao sy ny fandraharahana.

 

Tompon’andraikitra iray tao amina orisana mpampindram-bola madinika (microfinance) no nilaza fa tsy marisika hampiodim-bola intsony ny Malagasy. Amin’ireo mpanjifa dia maro aza moa no sahirana amin’ny famerenam-bola isam-bolana. Tsy vitsy no tara lava amin’ny daty fandoavam-bola efa nosoniavina tany am-boalohany noho ny tsy fandehanan’ny asa atao. Amin’ireo mba tsara fandoavana indray ka nahavita tanteraka ny vola nindramina dia tsy mety hanohy intsony. Tao anatin’ny roa taona farany dia tsy nitsahatra nitotongana ny mpanjifa tokony mbola afaka mihindram-bola nefa tsy nanohy izany. Nohon’ny fahatahorana hampiasa sy hampihodim-bola amin’izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao no saika valin-tenin’ireo olona hoy ihany ity tompon’andraikitra ity. Mpivarotra, mpampiasa fiara, mpandraharaha madinika, ireo no tena mpanjifa mpihindram-bola saingy mitaraina avokoa ny amin’ny tsy fandehanan’ny tsena. Mazava izany fa latsaka anaty fahantrana tanteraka ny Malagasy ary tsy misy mandeha amin’izay laoniny hatramin’ny fitadiavana. Misandratra mankany amin’ny fahapotehana hatrany ny toekarenan’I Madagasikara.

Tsiry

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT