Toekarena

Fampindramam-bola madinika Miha sahirana ireo mpanjifa nanomboka ny taona 2015


  • Talata 06 Febroary 2018

Nanomboka ny taona 2008 no niroborobo fatratra ny sehatra fampindramam-bola madinika (microfinance) teto Madagasikara. Tafakatra hatrany amin’ny 1 400 000 ny mpanjifa ny taona 2015 raha toa ka manodidina ny 1 000 000 ny taona 2013, araka ny statistikan’ny foibe fitantanana ny tahirim-bolam-panjakana.

 

 Niakatra ny tahan’ny fametraham-bola na ny tahan’ny findramam-bola tamin’izany fotoana ary Antananarivo sy Vakinankaratra no tena voakasika ary efa miitatra mankany amin’ny faritra ihany koa. Raha tsiahivina, ny 4%-n’ny tokantrano Malagasy ihany no mahafeno ny fepetra ka afaka miditra sy mifampiraharaha amin’ireny Banky lehibe ireny, antony ijoroan’ny sehatra mpampindram-bola ho an’ny asa madinika. Ny fahamoran’ny fikarakarana ny taratasy sy ny antoka takiana no manintona ny mpanjifa hanao findramam-bola ao. Ohatra ny fananana entana ao an-tokantrano fotsiny dia ahafahana mindrana vola ary tsy voatery ho tany sy trano no atao antoka. Nanambara anefa Ramatoa Razafimamy Sylvia, tale amina masoivoho iray ao amin’ireny sehatra ireny fa mihasahirana ny mpikambana mamerim-bola, indrindra nanomboka ny taona 2015. Saika voakasik’io fahasahiranana io avokoa ireo mpanao asa tena ary notsindriany manokana ny mpitatitra, mpivarotra friperie sy ny enta-madinika izay lasa hany fahazarana ny fahatarana sy ny tsy fahavitana mamerina ny vola nindramina. Ny mpampanofa trano sy ny mpivaro-toaka kosa, hoy izy, no tsy dia manana olana fa matetika mahaverim-bola ara-dalàna sy ara-potoana. Nanazava kosa Ramatoa Estera mpivarotra enta-madinika sady mpindram-bola fa ny olona rehetra mihitsy no sahirana ka mahatonga ny fihenan’ny vola miditra ary miteraka ny fahatarana amin’ny famerenam-bola. Taloha izahay raha nahalafo 300 000 Ariary farafahakeliny rehefa mamaky balle fripy, izao zara raha tonga amin’ny antsasany, hoy kosa Ramatoa Sandy mpivarotra friperie, ny vola anefa tsy maintsy ahodina mba anenjehana ny vola miaraka amin’ny zana-bolan’ny banky. Araka izany dia efa mahazo ny sehatra rehetra mihitsy ity fahasahiranana lavareny ity kanefa dia hita ho manentsin-tadiny sy tsy tonga saina ny mpitondra ankehitriny.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT