Toekarena

Fampindramam-bola madinika Manampy ny Malagasy amin’ny tetikasany


  • Zoma 05 Jolay 2019

Sahirana ary tena sahirana ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Maro ny miasa tena sy manao izay hahavelona azy fotsiny. Olana ny tsy fahampian’ny vola aodina hanaovana fandraharahana.

 

 

 

 Izany no antom-pisian’ny orinasa mpampindram-bola madinika. Raha ny ACEP Madagasikara manokana, izay mankalaza ny faha -20 taonany dia efa mahatratra 20 ny masoivohony eto Madagasikara. Manao fampindramam-bola madinika sy mandray ny petra-bola ity orinasa ity ary miezaka manakaiky hatrany ny mpanjifany. Izany no antony nanavaozany ny marika hahafantarana azy amin’izao fotoana izao izay nampahafantarina teny amin’ny Hotely Tamboho Ankorondrano omaly. Ankoatra ny fampindramam-bola madinika dia misy ny fiantohana ara-pahasalamana ho an’ireo mpanjifany. Mila sahy mampiasa sy mampiodim-bola amin’izao fotoana izao ny Malagasy raha te ho tafavoaka ary soa fa misy ny fampindramam-bola madinika tahaka ireny mba ahafahan’ireo voailika eny amin’ny Banky mahazo famatsiam-bola.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT