Toekarena

Fampindramam-bola « crédit miarina » 50 miliara Ar ny fanampiana ireo orinasa


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Nampanantenain'ny Filoham-pirenena ny fampindramam-bola « crédit miarina » hanampiana ireo sehatra tsy miankina nisedra olana amin’izao hamehana ara-pahasalamana ateraky ny aretina covid 19 izao.

 

 

 

 Sehatra miisa 4 no mahazo tombony amin’izany dia ny fambolena, ny fiompiana, ny Indostria ary ny fizahantany. Tanatin’ny herinandro monja dia efa nahatratra 93 sahady ireo orinasa nisitraka izany ary nahatratra 4 389 500 000 Ar ny famatsiam-bola nomena. Ao anatin’ny tetikasa Fihariana ihany ny « crédit miarina » izay natokana ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ary efa niainga taorian’ny fihaonan’ny filoha tamin’ny sehatra tsy miankina teny Iavoloha. Vola natokana hanodinana indray ny orinasa izay efa nitsangana nandritra ny 3 taona farafahakeliny izany ary natokana ho an’ireo manana vola miodina latsaky ny 5 miliara Ariary sy manana mpiasa latsaky ny 30. Ambany ny tahan’ny zana-bola satria 8% izany ho an’ny sehatra Indostria, 9% ho an’ny sehatra fizahantany ary 24 volana ny faharetan’ny fampindramam-bola. Ireo orinasa mbola liana amin’ity tolotra ity moa dia nentanina handalo eny amin’ny banky BOA sy BNI akaiky azy hijery ny andinindininy rehetra.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT