Toekarena

Fampindramam-bola avy amin’i Inde Hahazo 80,7 tapitrisa dolara i Madagasikara


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Nigadona teto Madagasikara omaly alarobia tamin’ny 10 ora sy 20 antoandro ny filoha Indianina Ram Nath Kovind mivady sy ny delegasionina tarihiny.

Nisy ny fihaonany tamin’ny filoha Malagasy, ka niara-nitokana Ivontoerana ara-teknolojika hoenti-mampiroborobo ny tontolon’ny fambolena sy ny fampandrosoana ambanivohitra fantatra amin’ny anarana hoe CGARD teny Nanisana omaly. Nampindram-bola 80,7 tapitrisa dolara ho an’ny Malagasy moa ny Indianina, ka velom-pisaorana i Hery Rajaonarimampianina. Nidi-trosa indray aloha izany ny firenena. Nanolotra fanomezana hafa ihany koa ny Indianina, toy ny vary 1.000 taonina, fitaovana fitsaboana momba ny aretina homamiadana “Bhabhatron-II”, fanafody 100 taonina. Ho an’ny sehatry ny fampianarana dia nanome boky fanofanana teny anglisy sy matematika 100 000 ihany koa ny Indianina, izay avy amin’ny NCERT (National Concert of Educational Research and Training). Nankasitrahan’ny filoha Malagasy ny fandefasan’ny Indianina mpampianatra hanofana momba ny Informatika sy ny teny Anglisy, ny fampitaovana ara-informatika ho an’ny oniversiten’i Toliara sy ny Lisea LMA Ampefiloha, fanolorana solosaina, video projecteurs, fitaovana fanamafisam-peo ary kojakoja anaty birao ho an’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI. Nisy moa omaly ny fiaraha-miasakafo teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha teo amin’ny mpitondra fanjakana Malgasy sy ny delegasionina notarihan’ny filoha Indianina; nosalorana ny maroboninahitra Grand Croix de l’ordre national ihany koa ny filoha Ram Nath Kovind io omaly io. Hifarana anio ny fitsidihan’ny filoha Indianina,  mialoha ny hodiany dia hisy ny fitsidihana hataony eny amin’ny oniversiten’Antananarivo izay arahana famelabelaran-kevitra amin’ity maraina ity.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT