Fampihavanana ara-toekarena

«Tokony mifantoka amin’ny fampandrosoana lovain-jafy isika!»


  • Alarobia 08 Janoary 2025

Tsy afa-miala amin’ny sehatra tsy miankina sy ara-panjakana ary ny vahoaka ny fihodinan’ny

toekarem-pirenena, hoy ny fanazavàn’ny mpandraharaha amin’ny fambolena sy fiompiana, Tovo Rakotojohary. Tokony hisy, hoy izy, ao anatin’izay, ny fijerena ny rariny sy hitsiny, ny fanarenana ny tsy nety. Mila mandravina ny lesoka sy tsy manao fijery mitanila noho izany ny fanjakàna. Mila omena sehatra daholo ny mpandraharaha rehetra satria politikan’ny fanjakàna ny hampiroboroboana ny mpandraharaha malagasy amin’ny fampiodinana ny toekarem-pirenena. Misokatra amin’ny mpandraharaha rehetra fa amin’ny tsenam-barotra moa misy ny lalam-barotra iraisampirenena. Misy koa ny lalam-barotra anatiny. Zava-dehibe ny fampifandanjana izany. Tsy tokony hisy, noho izany, fanilihana na sanatria fijabahana be loatra. Tsy tokony hanilika ny any amin’ny faritra hafa ny anaty faritra iray saingy tokony ho izy kosa nefa no andry na «pilier» ao amin’ny faritra misy azy. Tsy «antiéconomique» na hoe mamotika toekarena ny politikan’ny fanjakàna mikasika ny toekarena fa karazana balizy ialana amin’ny sanatria fampiasana vola maloto, noho isika nosy. Manimba toekarena izany satria isika misokatra amin’ny sehatra iraisampirenena amin’ny alalan’ny diplaomasia sy varotra iraisampirenena. Tsy tokony hisy koa ny fijery mitanila momba ny famerenana ireo vola mivoaka na «rapatriement des devises». Ny fiverenan’ireny vola ireny, izay fantatra ny fihaviany, no antoka mampiakatra ny toekarentsika. Manamarina ny lanjan’ny Ariary koa amin’ny fampivoarana ny ekonomia izany ary ahafahantsika koa mandrefy ny ny harinkarena na PIB isaky ny mponina izay mamokatra amin’ny fitsinjaram-pahefana manerana an’i nosy. Ny fampihavanana ara-toekarena izany dia ny hoe tsy hatao mitanila ny fanomezana sehatra ireo mpamokatra na mpandraharaha fa ny asan’ny fanjakàna dia manamora sy manoro ny mpandraharaha rehetra tsy an-kanavaka mikasika ny lalam-barotra rehetra misy na anatiny io na iraisampirenena. Tokony mifantoka amin’ny fampandrosoana lovain-jafy isika, izany hoe, mijery lavitra! Miara-fehezina no dikan’izany ny zava-misy anio sy ny hoavy ka hatrany amin’ny 30 na 40 taona any no vina apetraka fa tsy vina vonjy tavan’andro. Misy izao ny PNDE, izay N+4 isika izao, dia ho hitantsika eo izany ny mikasika ny 6 taona manaraka. Mila mamokatra aloha isika vao afaka miheritreritra fahaleovantena ara-tsakafo. Na ny vahoaka na ny fitondram-panjakàna dia samy mila mandray anjara fa tsy miandry fanampiana lava. Mamokatra ara-tsakafo, angovo, ara-tontolo iainana. Mila arovana indrindra ny tontolo iainana satria raha potika io dia ho very 20 taona manaraka indray isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT