Toekarena

Fampidiran-ketran’ny DGI 2 515 miliara Ar tao anatin’ny sivy volana


  • Zoma 04 Novambra 2022

Raha 3 848 miliara ariary ny tanjona voafaritry ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana LFR 2022 mandritra ny taona, nampiditra 2 515 miliara ariary izay manome 65,3% tamin’ny vina ho an’ity taona ity ny Fitantanana ankapoben’ny

hetra na ny DGI tao anatin’ny 9 volana voalohan’ny taoana 2022, araka ny vaovao notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Io no foarakitra ao anatin’ny tatitry ny fampiasana ny volam-panjakana na « éxecution budgetaire » an’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Ny fihenana nisesy tamin’ny TVA (Taxe sur la Valeur Ajoutée) narotsaky ny orinasan-tsolika, fa eo ihany koa ny fanintsiana manokana ho an’ny tontolon’ny fitrandahana harena an-kibon’ny tany ny volana aprily-may 2021 no voalaza fa isan’ny anton’ny fihenan’ny fampidiram-bola. Nisy ny fikitihana ny DE (Droits d’Enregistrement) tamin’ny Visas, fampidinana ny DA (Droit d’Accises) tamin’ny sehatry ny volamena, fa teo ihany koa ny fampidinana ny TVA tamin’ny fivarotana solika,… Tahaka izany ihany koa ny fahataran’ny fitakiam-bola amin’ny vola tokony harotsak’ireo orinasam-panjakana, izay ny volana may tamin’ity taona ity vao nanomboka, ary niteraka fahabangana amin’ny fampidiran-ketra amin’ny IRCM (Impôt sur le Revenu des Capitaux Mobiliers). Teo ihany koa ny tsy fahatrarana ny tanjona amin’ny vola ampidirina miainga amin’ireny hajia amin’ny « Visa » eo amin’ny sehatry ny faizahantany. Na izany aza, voalaza fa nisy fiakarany 6% ny fampidiran-ketra tao anatin’ny 9 volana mitaha ny tamin’ny taona 2021 tao anatin’ny vanim-potoana nitovy. 90,3% tamin’ny tanjona nokendrena tao anatin’ny 9 volana amin’ny fanangonan-ketra noho izany ny Fitantanana ny hetra, izay mmanome fahabangana na elanelana 270 miliara Ar amin’ny tanjona, ka ny tena voakasika dia ireo tena mampiditra hetra goavana. Tsara ny manamarika fa raha ny tatitra efa nataon’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, dia mahatratra 5 952 miliara ariary ny trosa tokony haloan’ny orinasam-panjakana miisa 23 ka lohalaharana amin’izany ny Jirama, Air Madagascar.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT