Notanterahana tetsy amin’ny tanoben’ny Varotra sy Indostria ny fampahafantarana ireo lalàna niova momba ny hetra. Nitondra fanazavana momba izany ny tale jeneralin’ny hetra,
Andriamatoa Razafindrakoto Louri Garisse sy ireo tompon’andraikitra maromaro ao amin’ny sampandraharahan’ny hetra. Andrasana ho 11,9% ny tahatsindrin-ketra afakaratsaka (taux de pression fiscale) amin’ity taona ity izay mitentina 4 811,4 miliara Ariary raha toa ka 4 092,0 miliara Ariary no tombantombana ho an’ny taona 2017 (fiakarana 17.6%). Hiakatra 20,8% kosa ny tahan’ny fampidiran-ketra anatiny ho amin’ny fidiram-bola raha oharina ny taona 2017 ka hanjary 2 555,0 miliara Ariary ilay 2 115,0 miliara Ariary, araka izany. Ao ihany koa ny TVA sy ny Hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (DA) dia hahitana fiakarana 13,9% isany avy ka tombanana hampiditra 849,0 miliara Ariary ny TVA ary 394,1 miliara Ariary kosa ny DA. Mikasika ny Hetra avy amin’ny vola miditra (IR) kosa, dia vinavinaina hitentina 632,2 miliara Ariary izany (fiakarana 13,0% miohatra ny taona 2017). Mba ahatrarana ireo tanjona ireo dia misy ny fanavaozana atao amin’ny sehatry ny fampidiran-ketra ho an’ity taona 2018 ity toy ny fanatsarana ny fidiram-bola ka tsy maintsy manana karatra fandoavan-ketra ireo rehetra manao asa aman-draharaha ampiharana ny hetra eto Madagasikara. Ao ihany koa, ohatra, ny fanamorana sy fanamaivanana ho an’ireo mpandoa hetra ara-dalàna. Momba ireo lalàna niova kosa dia anisan’ny nivoitra tao ny fomba famerana ny hetra ho an’ireo olona manana vola maty na vola miditra mihoatra na mira Ariary 100 000 000Ariary. Ao ihany koa, ohatra, ireo orinasa izay sady mandray hofan-tany sy trano no manana fidiram-bola avy amin’ny asa fihariana hafa. Ireo dia tsy maintsy manao filazana misaraka mahakasika ny sokajim-bola miditra aminy. Nivoaka avy tamin’ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny tsy miankina ireo lalàna rehetra novaina sy nampiana ireo ary antenaina hisy vokany tsara na ho an’ny fanjakana na ho an’ny mpandoa hetra rehetra, hoy ny tale jeneraly tetsy am-pamaranana.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.