Toekarena

Fampidiran-ketra -Kaominina Ampitatafika 30% ny taha tao anatin’ny enim-bolana voalohany


  • Alakamisy 22 Jolay 2021

Tafiditra tao anaty fahasahiranana tanteraka ny ankamaroan’ny mponina tamin’ity taona vaovao 2021 ity. Ankoatra ny fahasahiranana nateraky ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny maintso

 ahitra tsy maintsy nolalovana mantsy dia mbola nanampy trotraka izany ihany koa ny fisian’ilay valan’aretina COVID 19 andiany faharoa. Kofona tanteraka ny ankamaroan’ny isan-tokantrano noho izany izay misy fiantraikany mivantana eny anivon’ireny kaominina misy azy ireny. Mikasika ny fandoavan-ketra ohatra dia vitsiana ireo nahaefa izany ara-dalana toy ny teo aloha. Ho an’ny kaominina Ampitatafika dia 30% monja izany tao anatin’ny enim-bolana voalohany ho an’ny hetran-trano raha 5 % kosa ny hetran-tany, asa vaovao vao natomboka farany teo. Tsy nahaloa ny volan’ny Cnaps ny kaominina noho izany tato anatin’ny 2 taona nisian’ny COVID raha izy ireo no lohalaharana tamin’izany teo aloha izay mahazo fanomezana avy amin’ny Cnaps hatrany. Isaorana ny Fitondram-panjakana anefa hoy ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina fa mba neken’izy ireo ny hiantsorohany ny volan’ny Cnaps tsy voahefan’ny kaominina nanomboka tamin’ny taona 2017. Na izany aza moa dia fantatra fa voaloha 100 % hatrany ny karaman’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina Ampitatafika hatreto. Tsy misy ihany koa ny fahasamihafana eo amin’ny samy mpiasa fa nampitoviana avokoa ny karama raisina isam-bolana rehetra ka 300.000 Ar ankehitriny no farany ambany indrindra. Pati Legende : Voaloha hatrany ny karaman’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina Ampitatafika na izany aza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT