Fampidiran-ketra eto Madagasikara

«Orinasa miisa 9 tamin’ireo an-tapitrisa ihany no natao ATD»


  • Alakamisy 18 Aprily 2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

hoy ny tale jeneraliny, Germain, omaly. Afaka manatona ny GEM ianareo, hoy izy. Afaka manatona ny SIM na FIVPAMA sy ny hafa rehetra. Ny ATD na hetsika nataon’ny DGI ahafahana mampiditra vola anaty kitapom-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra tsy voaloha dia eo amin’ny 9 eo no isany. 9 amin’ny orinasa an’hetsiny eto Madagasikara. Nanao filazalazana ara-ketra ilay orinasa fa tsy nalohany ilay hetra. Nisy ny fitsirihana ara-ketra fa tsy nametraka fampilazana fandoavan-ketra na «sursis de payement». Rehefa tsy mametraka an’izay dia azonay atao foana ny mampiditra hetra amin’ny alalan’ny hetsika rehetra toy izany ATD izany. Efa nisy ny didim-panjakana mahakasika io fifampiresahan’ny DGI amin’ny sehatra tsy miankina io ka miantso azy ireo hanatona hatrany rehefa misy tokony hifampiresahana, hoy hatrany ny DGI nitondra fanazavana mikasika ity resaka ATD voalaza ho nataon’izy ireo nahoraka hatrany amin’ireo haino aman-jery iraisampirenena ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT