Toekarena

Fampidiran-ketra eto Madagasikara Hampiasana rindram-baiko vaovao


  • Alarobia 11 Jolay 2018

Omaly no nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny fisian’ny rindram-baiko (logiciel) vaovao ahafahana manao fanambaran-ketra ampitain-davitra (télé-déclaration).

Araka izany, ao anaty aterineto no miditra amin’ny tranonkalan-tseraseran’ny foiben’ny fitantanana ankapoben’ny hetra dia efa ahafahana mandoa ny hetra. Efa vitan’io rindram-baiko io avokoa ny dingana tokony hatao amin’ny fanambarana sy fandoavan-ketra eny amin’ny birao. Tsotra sy mora ny fampiasana azy araka ny fanazavana azo tamin’ny tale jeneralin’ny hetra, Andriamatoa Razafindrakoto Louri Garisse saingy mila mahay mampiasa aterineto kosa. Ahitana ireo tolotra maro isan-karazany ara-ketra ihany koa ao anatin’ity tranonkalan-tserasera “hetra online” ity. Amin’izany, ohatra, no ahitana ny lisitry ny olona mikirakira ny haba alaina amin’ny tataom-bidy (TVA), ao ihany koa no ahafahana manamarina fa mitombina tsara ary misy ny kara-ketra iray. Nampahafantatra ihany koa ny tale jeneraly fa nahazo fitaovana vaovao manaraka ny toetrandro ny foiben’ny hetra izay mifanaraka tsara amin’io rindram-baiko io. Hiparitaka manerana an’i Madagasikara moa ny fampiasana ity farany ary hisy ny mpiasan’ny hetra sy mpikirakira solosaina hampianatra ny mpandoa hetra ny alakamisy 12 sy zoma 13 jolay ho avy izao etsy amin’ny DLC Anosy. Marihina fa ireo hetra miverimberina isam-bolana sy isan-taona tahaka ny hetra amin’ny vola miditra, ny hetra amin’ny karama, ny TVA no voakasika amin’ity rindram-baiko vaovao ity. Tombony ny tsy filaharana sy ny tsy fivezivezena intsony eny amin’ireny ivon-ketra ireny izay tena mandany fotoana, indrindra fa ny fihenan’ny kolikoly izay manaratsy hatrany ny fampidiran-ketra.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT