Toekarena

Fampiatoana ny fitrandrahana Base Toliara Misy akony amin’ny fandraharahana, hoy ny TI-IM


  • Zoma 08 Novambra 2019

Nanamafy ny Transparency International Initiative International (TI-IM) fa mampanjaka ny kolikoly ny tsy fisian`ny fanaraha-maso mazava amin`ny fitantanana ny fitrandrahana harena ankibon`ny tany.

 

 

Manome 50% mahery amin`ny sehatra tena hanjakan`ny kolikoly ny tontolon`ny fitrandrahana eto Madagasikara raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Ny fitrandrahana, ny fitandroana ny filaminana, ny fahasalamana ary ny fampianarana no tena hanjakan`ny kolikoly eto amin’ny firenena. Nisy ny atrikasa nataon’ny TI-IM omaly tetsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano izay nanaovana fikarohana mahakasika ny trangana kolikoly eo amin’ny sehatra harena ankibon’ny tany. Nizara ny valim-pikarohana izy ireo ahafahana manatsara ny ady atao amin’ny kolikoly amin’ny sehatra fitrandrahana. Nisy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany nitarafan’ny TI-IM ny fahamarinan’ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Voaporofo tamin’izany ihany koa fa miteraka kolikoly ny fampiatoana ny fahazoan-dalana mitrandraka nataon’ny fanjakana. Maro ny misehatra amin’ny tsy ara-dalàna any amin’ireny toerana fitrandrahana maro samihafa ireny ary manao kolikoly dia afaka mitrandraka. Ilaina ny fanafainganana ny fanomezana ny fahazoan-dalana hitrandraka ary andraikitry ny fanjakana ny manara-maso ny fitantanana azy. Mahakasika ny fampiatoana ny tetikasa Base Toliara dia nanambara ny teo anivon’ny TI-IM fa mety hisy akony amin’ireo mpandraharaha avy any ivelany ny fanapahan-kevitra. Sarotra anefa ny hamerina ny vola nanaovana fandraharahana rehetra amin’ny fananganana io tetikasa io ka apetraka amin’ny fanjakana ny fahaiza-manao, indrindra ny fandraisana ny fanapahan-kevitra. 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT